Table des matières - Précédente - Suivante
Paika arahana hitiliana ny hatsara
1. Fandrefesana ny degre BRIX
Ny lanjan'ny akora maina amin'ny grama ao anatin'ny vokatra 100 grama, no atao hoe degre Brix
torotoroana dia levonina ao anaty voasitily ny vokatra;
maka indray mitete amin'ilay vokatra dia apetraka eo ambonin'ny refrakitometatra;
vakiana eo amin'ny refrakitometatra ny sanda voalaza;
diovina amin'ny rano voasitily ny refrakitometatra rehefa avy nampiasaina;
Famakiana ny sanda Brix: 16,9°Brix
2. Fandrefesana ny hadiro:
Ny atao hoe hadiro dia ny tahaan-jato ny asidra sitirika ao amin'ilay vokatra
mandanjà eo amin'ny 5 grama amin'ny vokatra voatorotoro;
levony ao anaty rano voasily;
ampio phenolphtaleine (in-telo mitete)
refeso amin'ny alalan'ny "birety" misy marika ambaratonga, feno soda 0,1N; sady ahotsakotsana tsy araraka intsony ny soda rehefa midioka ho mavokely ny vokatra nolevonina.
3. Fandrefesana ny pH:
A. taratasy pH no ampiasaina
atsoboka ao anatin'ilay vokatra notorotoroina sy nolevonina tao anaty "rano voasitily" ny taratasy pH
ampitahaina amin'ny lokon'ny horonana ny lokony (marihina fa ny loko iray eo amin'ny horonana dia mitovy pH anankiray voafaritra mazava)
atsaboka ao anaty ranomboankazo ny pH...
... avy eo ampithaina ny lokony amin'ny an'ny koronana
B. taratesy pHmetatra no ampiasaina
diovy amin'ny rano vaositily ny "elektroda"
atsoboka ao anatin'ilay vokatra notorotoroina sy nolevonina tao anaty "rano voasitily" ny elektroda
vakiana ny marika miseho
diovina amin'ny rano voasitily ny elektroda rehefa avy nampiasaina.